airtel

Fahasalamana

25-nov-2026

Fikambanana

Paramedy

Sample post image

Jereo ireo tena ara-dalana

25-nov-2026

sekolina Paramedy tena ara-dalàna
Mandray Andraikitra Mikaikaika fatratra ny fikambanana Paramedy Mandray Andraikitra manoloana ny hamaroan’ireo Paramedy tsy an’asa eto amintsika. Efa tafakatra 27.000 isa mantsy izy ireo manerana ny Nosy ka tafiditra ao anatin’izany ireo mpampivelona. Miantso ny Ministeran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika araka izany ny filohany Atoa Josefaniaina mba hijery akaiky ireo sekoly ambony manofana Paramedy ireo. Misy misokatra foana mantsy izy ireny eto amintsika hoy izy nefa ireo mpianatra efa tafavoaka tsy mahita asa. Ankoatra izay dia mety misy tsy manana taratasy ara-dalana ihany koa. Ataovy ny fidinana ifotony hoy ny fikambanana Paramedy Mandray Andraikitra ka izay manana taratasy ara-dalana avelao hiasa. Akatony kosa izay tsy manana taratasy ara-dalana fa manamaro isa ny mpanofana Paramedy fotsiny no sady mamokatra mpianatra mety mampanahy koa. Ho an’ireo manana taratasy ara-dalana moa dia miantso azy ireny mba hifanampy amin’ny fanjakana amin’ny fomba hanomezana asa ireo mpianatra havoakany ny fikambanana Paramedy Mandray Andraikitra hisorohana ny fiakaran’ny tahan’ny tsy fananan’asa marobe eto amintsika tahaka izao.
Pati
Legende : Atoa Josefaniaina, filohan’ny fikambanana Paramedy Mandray Andraikitra !
 

Dans la même rubrique

24-nov-2026

Hihazo an’i Rosia hiatrika fandidiana

Card image cap