airtel

Fahasalamana

27-févr-2023

Fahasalamana

Firongatry ny mpitsabo tsy ara-dalàna Mampaneno lakolosy ny mpiasan’ny fahasalamana

Sample post image

Mampaneno lakolosy sy mampiaka-peo eo anatrehan’ny firongatr’ireo karazam-pitsaboana isaky ny elakelan-trano ny mpiasan’ny fahasalamana.

27-févr-2023

Manamafy fa mila fianarana an-taonany maro sy traikefa izany, fa tsy ao anatin’ny 3 volana dia afaka hahay hanavaka ny kohaka tsotra sy ny koha-davareny na “tuberculose”, raha ny fanehoan-kevitry ny Filohan’ny holafitry ny Mpitsabo Dr Eric Randrianasolo ny faran’ny herinandro teo. Isan’ny notsipihiny manokana ny fisian’ny fampiofanana ao anatin’ny fotoana fohy hanaovana dokam-barotra amin’ny tambajotran-tserasera momba ny fitsaboana nenti-paharazana sy irony antsoina hoe “Tradipraticien” irony. Isan’ny nametra-panontaniana mikasika an’io ny Holafitry ny farmasia tamin’ny serasaram-baovao nataony hoe: Iza no nanome fahazoan-dàlana hanokafana izany ivon-toerana izany? Mampitahotra ny zava-misy, ary misy amin’ny mpanao azy ireny no manao totoafon-tserasera sy dokam-barotra amin’ny haino aman-jery, hoy hatrany ny fanamarihana. Voararan’ny fehezan-dalàna momba ny fahasalamana anefa ny fanaovana izany. Manamafy noho izany ireo mpisehatra ara-pahasalamana fa tsy azo ekena ireny ary mety hamotika ny fahasalamam-bahoaka. Miantso ny Fanjakana hampihatra avy hatrany ny lalàna noho izany ny mpiasan’ny fahasalamana fa tsy hijanona fotsiny amin’ny hoe fampahatsiahivana ny lalàna eo anatrehan’ny fitsaboana tsy ara-dalàna. Marihina fa misy ny« tradipraticien » ary misy Fikambanana nasionaly, ary manana ny fahaiza-manaony sy nankatoavin’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ny Holafitry ny mpitsabo, fa mirongatra ihany koa ny bizina ara-pitsaboana.

Betsaka ny Malagasy roboka eo anatrehan’ny tsy fahasalamana sy aretina maro, ary iaraha-mahalala ihany koa ny fahalafosan’ny fitsaboana eto Madagasikara. Isan’ny politika ara-pitsaboana mila apetraka noho izany ny fahafahan’ny Malagasy mitsabo tena amin’ny sarany mirary sy zakan’ny rehetra mba tsy hahatonga ny vahoaka hiantsampy any amin’ny mpitsabo tsy ara-dalàna sy mpibizina ara-pitsaboana, izay vao mainka mety hitera-doza.
Toky R
 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Tsy hanaiky intsony fa hanenjika ireo infirmiera sandoka manerana ny Nosy ny holafitry ny infiermiera eto

Card image cap
06-mai-2024

Tsy voatery mankany ivelany intsony ny fandidiana fo ho an'ny ankizy fa ho vita eto Madagasikara,

Card image cap
06-mai-2024

Mihatanora hatrany ireo olona lasibatry ny karazana areti-mandoza eto amintsika.

Card image cap