airtel

Fahasalamana

25-avril-2023

Fahasalamana

Fitandroana fahasalamana Tratra ny tanjon’ny andro

Sample post image

iraisampirenena ho an’ny fanatanjahantena

25-avril-2023

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny fanatanjahantena fanoitry ny fampandrosoana sy fandriampahalemana na «Journée internationale du sport au service du développement et de la paix» izay niainga tetsy Analakely. Tompon’antoka tamin’ity hetsika fanetseham-batana nanomboka tamin’ny 8 ora maraina ho fanamarihana izany ity ny teo anivon’ny orinasam-pifandraisan-davitra Telma sy ny minisiteran’ny fanatanjahantena sy ny tanora. Tratra ny tanjona, hoy ny fanazavana, satria natao hanetsehana vatana hitarihana ny olona hitandro ny fahasalamana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena izany. Iaraha-mahita ny tranga miseho taterin’ny filazam-baovao saika isan’andro toy ny hoe tanora tratry ny AVC, fiakaran’ny tosidra, diabeta, aretina maro isan-karazany. Azo tandremana amin’ny alalan’ny fanaovana fanatanjahantena nefa ireny. Andiany voalohany moa izy ity ary saika namaly ny antso avokoa ny ankamaroan’ireo noeritreretina ho tonga, izay tanora no ankamaroany sy navitrika tamin’izany, hoy hatrany ny fanazavana avy eo anivon’ny minisitera tompon’andraikitra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap