Nitondra fanazavana mifandraika amin’izany Atoa Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana. Nambarany fa maro tokoa ireo olona manao fitsaboana natoraly eto amintsika ankehitriny. Ho an’ireo tena mifototra amin’izany hoy izy dia nianatra manokana izy ireny fa tsy manaotao foana akory. Amin’ny ankapobeny rahateo raha araka ny fanazavany dia ireo karazan-java-maniry eto amintsika ihany no hampiasaina tsy misy fangarony hafa hanasitranana ireo olona manana olana ara-pahasalamana. Tsy misy hidiran’ny tontolo ara-panahy mihitsy ireny raha araka ny fanazavany. Efa sehatra hafa mihitsy no misy ireo karazan’olona mitsabo amin’ny alalan’ireny fahaizany manokana ireny hoy hatrany Rija Mandimbison, lova nolovaina avy amin’ireo Raiamandreny tany aloha na dia samy Malagasy aza.
Pati
Legende : Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny toeram-pitsoana Aina Soa
Nalaza tato ho ato ny firongatry ny alika romotra na ny kaitr’izy ireny sy ny fepetra