airtel

Fahasalamana

20-avril-2023

Fahasalamana

Fitsaboana nentim-paharazana “Misy fepetra tsy mifanandrify amin’ny tokony ho izy”

Sample post image

Fampiharana fepetra tsy mifanandrify amin’ny tokony ho izy fa tsy dia hoe antsojay loatra no mitranga eo anivon’ny fitsaboana nentim-paharazana,

20-avril-2023

hoy ny filohan’ny fikambanam-pirenena momba izany na ANTM, Josephin Andriandrainarivo, nanitsy ny filazan’ny mpisehatra sasany fa antsojay no mihatra amin’izy ireo. Raha ny resaka fampiharan-dalàna no resahana dia tena ankasitrahanay. Io resaka fampiharan-dalàna io nefa no lazain’ny sasany fa antsojay. Izahay tena miantso mihitsy hoe ampiharo araka ny tokony ho izy ny lalàna efa mipetraka. Taorian’ny 2005, izay nisy iny fehezan-dalàna famaizana iny dia efa nisy ireo lalàna tsy ho ventesiko intsony. Indrindra ny fehezan- dalàna momba ny fahasalamam-bahoaka. Ny lalàna maha isan’ny kolontsaina azy izay efa misy eto Madagasikara. Ny olana dia be dia be ny mandika lalàna sy manaotao foana ka mandray fepetra amin’izay ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka dia izao no zava-misy. Misy naoty miisa 3 navoakan’ny fanjakana ny volana martsa teo. Ny iray voalohany mampahatsiahy ny rehetra fa misy lalàna mifehy ny fitsaboana nentim-paharazana. Angatahana alalana ny fanaovana izany sy ny fanokafana toeram-pitsaboana. Tsy azo atao ny manao dokam-barotra sy izay endrika mitovy amin’izany na tahaka ny ahoana na ahoana. Izay ilay naoty voalohany. Ankasitrahanay izany raha ampiharina. Izay mahatsiaro ho iharan’ny antsojay anatin’izany dia na izy tsy mahafantatra ilay fitsaboana nentim-paharazana na tsy ao anatin’ilay sehatra misy anay. Ny naoty faharoa sy fahatelo no manahirana anay. Ny iray hoe nahatsahatra ny fangatahana alalana hanao asa fitsaboana nentim-paharazana mandra-pahatongan’ny fepetra vaovao noho ny fisian-javatra tsy manara-dalàna eto Madagasikara. Mitsahatra aloha izany ny asan’ny CNMT na filankevim-pirenena momba ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara. Iny dia nampanarahany naoty ho an’ireo ambaratongam-pahefana hatrany amin’ny minisiteran’ny fahasalamana. Nentanina ireo tomponandraikitra ireo hanara-maso any amin’ny fari-pifehezany hijery fa izay tsy manana alalana hanao fitsaboana nentim-paharazana dia tsy ara-dalàna. Azo enjehina nefa 10.000 mahery izao no isan’ny mpikamban’ny ANTM. 150 nefa ny olona nahazo io alalana tenenin’ny minisitera io eto Madagasikara. Ny ankoatr’izay misy an-dalam-pangatahana nefa ilay izy niato. Voahenjika sahady izany ireo nefa tsy fidiny ho azy ny tsy nahavita fa noho ny fahalavirana sy fahasarotan’ilay fangatahana. Mba tokony ho jerena kosa, noho izany, ireo efa mpikamban’ny ANTM sy ireo mitohy miditra ao, hoy hatrany ny ANTM.
J. Mirija Legende : Ny filohan’ny ANTM
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mbola betsaka ireo zaza tsy vita vaksiny eto amintsika indrindra fa ny any ambanivohitra.

Card image cap