tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fahasalamana

Fizaham-pahasalamana maimaimpoana Maro ireo tonga tetsy Ambohibarikely-Anosibe omaly

Tsy manana fahafahana ny hitsabo tena ny ankamaroan’ny Malagasy. Raha aretina mbola azo hiafiafiana dia tsy maintsy hiafiafiana sitrany ahay hamidy sakafo, indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao.

27-janv-2023

Sample post image

Voatery manenjika ireny fizaham-pahasalamana maimaim-poana karakarain’ny fikambanana …. ireny araka izany ny rehetra rehefa misy izany. Ohatra ny omaly ohatra dia vahoaka marobe no tonga nanatona ny fokontany Ambohibarikely Anosibe nandritra ilay hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka nokarakarain’ny kaominina Antananarivo renivohitra izay efa fanao nandritra ny 2 taona isaky ny 2 herinandro. Na dia teo aza ny andro ratsy sy ny elanelan-toerana dia tsy nanakana ireo vahoaka tsy ho avy izany. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, dia nisy ihany koa ny fitiliana diabeta sy fanomezana fanafody maimaim-poana ho an’ireo olona lasibatr’izany aretina izany na kely na lehibe. Nisy ihany koa ny fijerena tosi-drà, sy fizahana maso maimaim-poana, narahin’ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo zaza sy reny mitondra vohoka tokony efa hisafo sy hanao vaksiny. Tsy latsa-danja tamin’izany ireo tratry ny gripa sy ny kohoka mahery.
Pati
 

Dans la même rubrique

Card image cap
ARETINA TAZOMOKA Olona 6 tapitrisa no voaaro tato anatin'ny 5 taona
01-juin-2023

Olona enina tapitrisa mahery no voaaro tamin'ny aretina tazomoka tato anatin’ny 5 taona teto amintsika.

Card image cap
Fahatapahan’ny lalan-dra tampoka Mila fitandremana ny fandroana amin’ny rano mangatsiaka
01-juin-2023

Zary lasa aretina mpahazo ny olona maro ankehitriny ny fahatapahan’ny lalan-dra. Any amin’ny loha amin’ny ankapobeny no tena henjehin’izy io,

Voir plus