airtel

Fahasalamana

09-oct-2023

Fizaham-pahasalamanana

maimaimpoana Mirohotra noho ny tsy fananam-bola ny olona

Sample post image

Izay ahitana ny sakafo hohanina sisa amin’izao no hataon’ny olona noho ny hasarotan’ny fiainana.

09-oct-2023

Ny ankoatra izay dia tsy maintsy mandefitra avokoa eny fa na dia ny fitsaboan-tena aza. Mila manana hatramin’ny 50.000 Ar any am-paosiny mantsy ny marary iray vao afaka manatona mpitsabo tsy miankina iray raha te-hahazo fahasalamana. Mbola ankoatra io vola aloha io ny vidim-panafody sasany raha betsaka ireo ilaina. Manoloana izany dia nisy ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana notanterahina teny amin'ny EPP Ankadikely-Ilafy ny Sabotsy teo. Niarahana tamin’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny CSB II Ankadikely Ilafy izany ka olona an-jatony no tonga nidodododo namonjy izany raha araka ny vaovao azo. Fizaham-pahasalamana amin'ny ankapobeany, fanabezana aizana ary fitiliana ireo zaza tratran'ny tsy fanjarian-tsakafo no tolotra nomena nandritra izany. Nambaran’ireo mpahazo tombontsoa moa fa tena ilaina tokoa ny fifanampiana sy fifanohanana tahaka izao noho ny halalin’ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny.
Pati
Legende : Nandritra ny fizaham-pahasalamana natao !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

14 taona tamin’ny volana martsa teo izao no nijoroan’ny Manda Bio Santé, hoy ny tompony

Card image cap