notanterahina omaly 19 Aogositra 2026, tao Ihosy, ny fiofanana ho an’ireo mpitantana « dépôt de médicaments » na fanatobiana sy fivarotam-panafody. Ity no andiany faharoa, ary notarihin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ny alalan’ny DPLMT (Direction de la Pharmacie, du Laboratoire et de la Médecine Traditionnelle). Tanteraka ity fiofanana ity noho ny fanohanan’ny (Groupement Professionnel des Dépositaires de Médicaments à Madagascar), tarihin’i Atoa Razafimanantsoa Nandrianina. Nanome voninahitra sy nanatrika ny fotoana ireo solontenan’ny Parlemanta, ny DRS, ny Médecin Inspecteur, ny Kaominina ary ny Faritra. Tanjon’ny GPRODMM ny hanatanteraka « remise à niveau » sy fiofanana mitohy ho an’ireo mpitantana « dépôt de médicaments » rehetra manerana an’i Madagasikara, tsy an-kanavaka,... Marihina fa tao Fianarantsoa no nanatanterahana ny andiany voalohany, ary ho avy tsy ho ela ny Zaikabe Nasionalin’ny GPRODMM.
Toky R