airtel

Fahasalamana

15-sept-2023

GRIPA MAHERY SY KOHOKA

Betsaka ireo voa, mila mihinana legioma…

Sample post image

Mbola miaina tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina miampita mankany amin’ny lohataona isika eto an-drenivohitra amin’izao.

15-sept-2023

Mbola tena mangatsiaka amin’ny hariva sy rehefa diva haraina iny raha amin’ny atoandro kosa no mba mafana kely. Betsaka ireo olona tsy mahazaka io fiovaovan’ny toetr’andro io noho izany. Betsaka indray vokatr’izany ireo tratry ny gripa mahery sy ny kohoka. Raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray dia efa tapa-bolana teo ho eo izay no nampirongatra azy io ary tsy mifidy na ankizikely na olon-dehibe. Lasibatra avokoa ny rehetra izay miantomboka amin’ny aretin’andoha, tsentsinabe ny orona no sady malain-komana raha misy manakotsako mihitsy ny vanin-taolana ho an’ny sasany, misy fery any anaty vava sy any anaty orona na eny ivelany…. Rehefa tsy manatona mpitsabo anefa ilay marary dia fantatra fa mety hivadika tazo mahery mihitsy izany ka mifindra. Vahaolana aroson’ity mpitsabo ity araka izany ny tokony hisotroana rano betsaka isan’andro arahin’ny fanaovana fitafiana mifanaraka amin’ny toetr’andro. Eo ihany koa ny fanajana ny ora fatoriana izay tokony ho adin’ny 6 isan-kalina ho an’ny olon-dehibe, ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana ahitana ireo otrik’aina ilain’ny vatana toy ny gliosida sy ny lipida ary ny protida miampy fihinanana voankazo sy legioma betsaka.
Pati
Legende : Mila mihinana sakafo ara-pahasalamana hahafahana manohitra ireny karazan’aretina ireny !
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nalaza tato ho ato ny firongatry ny alika romotra na ny kaitr’izy ireny sy ny fepetra

Card image cap