Ankoatran’ny fitandremana ara-tsakafo, hoy izy, manoloana ny karazan’aretina miseho ankehitriny dia ilaina ny maka rivotra tsara. Mba mampihetsi-batana na manao fanatanjahantena. Matory tsara tsy mila misotrosotro zavatra manaitaitra na “stimulant”. Misy fomba fiaina tokony arahana ialana amin’ny fahamasahan’ny vavony. Mitombona foana koa ny fampiasana atovava sy arotanana, indrindra fa hoe valanaretina no resaka satria sady fiarovana ho anao iny no fiarovana ny hafa koa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija