airtel

Fahasalamana

31-mai-2023

Fahasalamana

MADAGASIKARA Tsy mitsaha-mitontongana ny tahan’ny fanaovam-baksiny

Sample post image

Tsy mitsaha-mitontongana ny tahan’ny fanaovam-baksiny eto amintsika, indrindra fa ho an’ireo zaza latsaky ny 5

31-mai-2023

taona raha araka ny nambaran’ny solontena maharitry ny fandaharan’asa iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS eto amintsika. Hatramin’ny niparitahan’ny valan’aretina COVID 19 teto amintsika no mankaty no voalaza fa antony nahatonga izany. Nitombo isa ireo olona tsy resy lahatra ny hanao vaksiny ny zanany intsony eto Madagasikara, antony mampahazo vahana ireo karazan’aretina maro samihafa toy ny lefakozatra….Ahiana hatrany ny mety hiparitahan’ireo valan’aretina ireo noho izany. Izany indrindra no anton’ilay fivoriana tanterahina mandritra ny 2 andro eny Ivato hiarahana amin’ny fandaharan’asa iraisam-pirenena momba ny fahasalamana, ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny raiamandreny ara-drazana sy ireo tohonteny eny anivon’ny fiaraha-monina hahafahana mandresy lahatra ny isan-tokantrano, indrindra fa ireo manan-janaka madinika. Nambaran’ny teo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka moa fa mbola ampy tsara ny tahirim-baksiny eto Madagasikara.
Pati
Legende : Mila fanentanana goavana indray ny fandresena lahatra ny Ray aman-dReny mba hanao vaksiny ny zanany
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

14 taona tamin’ny volana martsa teo izao no nijoroan’ny Manda Bio Santé, hoy ny tompony

Card image cap