airtel

Fahasalamana

06-févr-2024

Mahajanga

Ahiboka 5 andro ireo mpandeha avy any Kaomoro

Sample post image

Taorian’ny nanafoanan’ny Fanjakana foibe ny fepetra noraisin’ny

06-févr-2024

governora any Boeny ny tsy fahafahan’ny sambo avy any Kaomoro miditra ao Mahajanga, dia nisy ny fepetra noraisin’ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale). Mihiboka mandritra ny 5 andro avokoa ireo mpandeha miditra ao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga araka ny nambaran’ny “Directeur des affaires portuaires” eo anivon’ny APMF, raha ny voalazan’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Eo ihany koa ny fandrarahana fanafody ireo entana rehetra. Noraisina izao fanapaha-kevitra izao ho fisorohana ny fihanaky ny valan’aretina kolera ao an-toerana noho ny fahitana trangan’aretina ao Comores sy Mozambique, hoy hatrany ny fanazavana. Nambara fa ny minisiteran’ny Fahasalamana no tena miandraikitra izany fa anjaran’ny APMF dia ny mampihatra izay tapaky ny komity ahitana ireo tompon’andraikitra maro araka ny andraikiny tsirairay avy. Manodidina ny 6 isan-kerinandro ny sambo miditra ao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga avy any Comores, raha ny fanazavana hatrany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tafakatra 65% ny tahan’ireo tanora tovovavy sy vehivavy manao fanabeazana aizana eto amintsika

Card image cap