airtel

Fahasalamana

07-août-2026

Mamono indray ny kitrotro

Zaza 6 no efa maty tao Antsirabe II

Sample post image

Nisehoana tranga ara-pahasalamana

07-août-2026

hafahafa nahafatesana zaza 6 tao Ambohitsimanova, distrikan’Antsirabe II ny 4 -5 aogositra 2026, ka nahatonga ny manampahefana hanao fanadihadiana. Taorian’ny fizahana dia kitrotro no voamarina ho nahafaty ireo ankizy. Efa voalevina avokoa ireo namoy ny ainy raha ankizy telo kosa no mbola manaraka fitsaboana ao amin'ny CSB I Antsongombato. Nidina nijery ifotony ny zava-misy ny zandary, ny Lehiben'ny Distrika Antsirabe II ary ny ekipan'ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamana Vakinankaratra. Miantso ny Ray aman-dReny sy ny mponina rehetra ny tompon'andraikitra mba hanatona tobim-pahasalamana avy hatrany raha vao misy soritr'aretina mampiahiahy, ary hampandre haingana ny manampahefana mba hisorohana ny fihanaky ny aretina. Ny fipoahana kitrotro (rougeole) lehibe indrindra teto Madagasikara, nitranga tamin’ny 2018–2019. Tamin’izany fotoana izany, voarakitra fa maherin'ny 118 000 ny tranga, ary nisy maty mihoatra ny 1 200 araka ny tatitra ofisialy. Io no iray tamin’ireo fipoahana lehibe indrindra eran-tany tamin’izany fotoana, ary nahatonga ny firenena hanamafy ny fanentanana vaksiny sy ny fanaraha-maso epidemiolojika. Ny antony lehibe nahatonga ny fiparitahana ny fihenan’ny tahan’ny vaksiny teo aloha, ka maro ny ankizy tsy voaaro. Nisy fanentanana nasionaly natao tamin’ny faran’ny 2018 sy 2019, izay nahazoana vokatra tsara tamin’ny fanatsarana ny “couverture vaccinale”. Ho an’ny taona 2025–2026, mbola mitohy ny fipoahana vaovao, ary hatramin’ny Jolay 2026 dia voarakitra 7 044 tranga (207 voamarina amin’ny laboratoara sy 6 837 amin’ny fanadihadiana epidemiolojika). Ny faritra Mitsinjo sy Analalava no ao anatin’ny dingana “épidémique” amin’izao fotoana izao. Tsy mbola nisy tatitra ofisialy mazava momba ny isan’ny maty tamin’ity fipoahana farany ity, saingy amin’ny fipoahana teo aloha dia nisy fahafatesana an’arivony. Mikendry ny hanao vaksiny miisa 5,2 tapitrisa ankizy (9–59 volana) ny Fanjakana amin’ny Oktobra 2026, mba hanamafisana ny fiarovana sy hanarenana ny “immunité collective”. Ny vaksiny no fiarovana tokana amin’ny kitrotro, ary ny ankizy tsy vita vaksiny dia mbola loza mitatao hatreto.
Toky R 

Dans la même rubrique