Tsy misy afaka mitsabo tena intsony ny ankamaroan’ny mponina na dia maro aza ireo tratry ny aretin-kibo sy aretin-koditra taorian’ilay ranobe iny. 20.000 Ar rahateo raha mora indrindra ny saran’ny fizaham-pahasalamana ho an’olona iray eny amin’ny dokotera amin’izao nefa na ny hamidy sakafo aza manahirana. Hita sy tsapa izany nandritra ny fandalovan’ilay caravane de la santé izay nandalo tao Kianjavato Mananjary afak’omaly sabotsy taorian’ny nandalovany tany Ambositra sy Ranomafana. Vokatry ny fiaraha-miasan'ny Fikambanana FITIA, ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran'ny Mponina ary ireo Mpiara-miombon’antoka maro no angady nananana sy vy nahitana izany hetsika izay tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny 08 martsa. Tolotra ara-pahasalamana maro sy maimaim-poana no hita tao anatin’ity hetsika ity ka anisan’ny tena nomena tombony manokana ny resaka fahasalaman'ny Reny sy ny zaza. Nisy ihany koa ny toro-hevitra nomena ireo reny miteraka be loatra mba hampiasa ny fomba fandrindram-piterahana.
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ilay caravane de la santé niarahana tamin’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka