Raha araka ny vaovao dia efa marary avokoa ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana. Miantomboka amin’ny ranon-delo matsatso mandeha izany, mitohy amin’ny aretin’andoha lavareny, mihamema ny maso hany ka mandamaka avy hatrany ilay marary. Miakatra be ihany koa ny hafanany raha vantany vao tsy voajery haingana ary misy ireo mitady hanao fanintona mihitsy toy ireo ankizy madinika hoy hatrany ny loharanom-baovao. Efa nisy matin’ireo aretina ireo moa tany an-toerana na dia efa nomena fanafody sy nentina nanatona tobim-pitsaboana aza. Manahy ny mety hiparitahan’ity aretina ity ato anatin’ny fotoana fohy ny mponina. Mifindra rahateo ilay izy noho ireto farany tsy mampiasa arovava orona indrindra fa ho an’ireo tratry ny gripa. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky io tranga io araka izany ny mponina. Misy moa ny milaza fa mety efa COVID no tonga any amin’ity tanana ity izay mbola tsy fantatra marina izay tena fahamarinany.
Pati
Legende : Mandamaka tahaka izao ireo ankizy madinika tratran’ilay aretina
Nalaza tato ho ato ny firongatry ny alika romotra na ny kaitr’izy ireny sy ny fepetra