airtel

Fahasalamana

05-oct-2022

Fahasalamana

Mihamafana ny andro Ny aretina tazomoka indray zao no tena atahorana

Sample post image

Efa manomboka miaina ao anaty hafanana tanteraka isika eto an-drenivohitra nanomboka afak’omaly Alatsinainy. Somary mihamangingina ny gripa mahery sy ny kohoka noho izany.

05-oct-2022

Ilay aretin’ny taovam-pisefoana vokatry ny fivadihan’ny vanim-potoana mangatsiaka mankany amin’ny mafana sy ny aretina tazo indray izao no tena mahazo ny ankamaroan’ny mponina, raha araka ny fanadihadiana natao. Mikasika ity farany manokana dia nambaran’ny dokotera Fidy Bariniaina fa fotoana fivoahan’ny moka izao andro mafana izao. Raha vantany vao mahita jiro mirehitra ao anaty trano ny moka hoy izy rehefa hariva dia mirohotra miditra avy hatrany ary manaikitra. Tokony hampiasa lay misy ody moka araka izany ny isan-tokantrano. Tokony tsy handrehitra jiro ihany koa hoy ity dokotera raha mbola tsy mihidy ny trano. Fepetra hentitra tokony handraisan’ny rehetra anjara feno kosa hoy izy ny fanotorana ireo rano miandrona hialokalofan’ny moka sy ny fanapahana ireo lobolobo. Nambaran’ity dokotera ity hatrany moa fa tokony hanatona dokotera avy hatrany ny olona iray raha vantany vao hafahafa ny toe-pahasalamany. Anisan’ireny ny aretin’andoha mitarazoka, ny hoditra misy hafanana, maloiloy sy malain-komana, fanina….
Pati
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap