hampiasaina hanohizana sy hamitana ny asa fanamboarana ny hopitaly manarapenitra miisa 13 natomboka ny taona 2019, ny hopitaly manarapenitra miisa 15 natomboka ny taona 2022, ny Hopitaly manarapenitra Ihosy, ary ny tobim-pahasalamana CSB miisa 44 natomboka ny taona 2022. Hampidirina ao anatin'ny fampiasana io tetibola ampahany hanaovana fanamboarana anatiny io koa ny asa fanarenana tsy maintsy atao ao amin'ny Hopitaly manarapenitra Andohatapenaka sy ny fividianana ireo fanampin-tsakafo ho an'ny zaza ianjadian'ny tsy fanjarian-tsakafo tsaboina eny amin'ny tobim-pahasalamam-bahoaka, dia ny plumpy nut»,... Angaha tsy efa maty paika ara-bola hatrany am-boalohany ny fanaovana manara-penitra ? Misy zavatra hampandeferina izany mba hahafahana mamita an’ireo? Hiazakazahana ny fananganana hopitaly manara-penitra amin’ny endriny ivelany fa ny tontolon’ny fitsaboana marary, ny saram-pitsaboana tsy takatry ny sarambabem-bahoaka intsony,… Ny endrika ivelany hatrany no mahamaika, fa ny mahaolona adino ! Mirarakopana ny fampanantenana hanangana zavatra etsy sy eroa ho an’ny Fanjakana Rajoelina amin’izao vanim-potoana akaiky fifidianana izao. Tsikaritra io rehefa manao kabary amina famoriam-bahoaka, tahaka ny tany Maroantsetra ary nohamafisina tao amin’ny filankevitry ny minisitra ny 07 jona fa hangana toho-drano any Anjahana, hanamboatra “Avenue” miditra ao amin’ny tanànan’I Mananara Avaratra, hanamboatra ny làlana any Maroantsetra fa indrindra fa ny ao an-tampon-tànana, hanangana fitsarana ambaratonga voalohany ao Mananara Avaratra, CSB II ao Analampotsy, hampiditra rano fisotro madio ao Mananara Avaratra ary « forage » ao Analampotsy, hangana Birao fananan-tany ao Manarara Avaratra,… Ny 18 janoary 2023 teo no nilaza ny Filoha Andry Rajoelina tany Ilaka Est hoe: “Ajanontsika ny fanamboarana foto-drafitrasa fa hifantoka amin'ny sosialim-bahoaka isika », saingy mirarakopana ny fampanantenana hanao izao sy izao ankehitriny. Ny eo tsy vita, ny eo mitosaka ihany ! Mby aiza ireo tanàna vaovao na « nouvelle ville », ny flyover, ny jiro sy rano voavaha ao anaty fe-potoana iasana 5 taona, ny làlana rehetra nampanantenaina, ny fotodrafitrasa eny amin’ny tanamasoandro nambara fa handraisana ny lalaon’ny Nosy, ny Pôle Urbain Fianarantsoa, ny voie rapide ao Toamasina,… ?
Toky R
Nalaza tato ho ato ny firongatry ny alika romotra na ny kaitr’izy ireny sy ny fepetra