airtel

Fahasalamana

29-juil-2026

Mipariraka be ny VIH

SIDA

Sample post image

Tafakatra 9 alina ankehitriny ireo

29-juil-2026

olona mitondra ny tsimok’aretina VIH/SIDA eto Madagasikara raha 26.000 izy teo aloha. efa miparitaka amin’ny olona rehetra, ny vehivavy bevohoka, tanora marefo toy ireo any amin’ny fonja ary ny zaza ity otrik’aretina ity hoy Dr Rakotoherimora Norosoa, chef de programme national de lutte contre L’IST VIH/SIDA ary 30 % n’ireo tratra hatreto no misitraka fitsaboana. Manohy ny ady sisika amin’ny fanjakana mba hanaovana laharam-pahamehana ny ady amin’ny tsimok’aretina VIH/SIDA sy ny mahakasika ny zo sy fahasalamana ara-pananahana ny Tambazotra Parlementera Nasionaly ho an’ny rariny ara-pananahana na réseau parlementaire national pour la justice reproductive eo anivon’ny antenimierampirenena miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Ho an’ny talata sy alarobia dia manatanteraka atrikasa etsy Anosy ny Forum Parlementaire de la SADC, ny UNFPA Madagascar, ny Tambazotra Parlementera Nasionaly ho an’ny rariny ara-pananahana eo anivon’ny antenimierampirenena ary ireo sehatra samihafa toy ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka,… Roa andro izay natao hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny parlementera amin’ny ady amin’ny VIH/SIDA sy ny mahakasika ny zo sy fahasalamana ara-pananahana ary koa hamaritana ireo filana ho fantanterahana izany ady izany hoy ny Dr. Lova Herizo Rajaobelina, Filohan’ny Tambazotra Parlementera Nasionaly ho an’ny rariny ara-pananahana eo anivon’ny antenimierampirenena. Andraikitry ny solombavambahoaka ny manao sy manatsara ny lalana hoy izy. Raha ny tokony ho izy dia ny 15 isanjaton’ny tetim-bola-panjakana dia tokony natokana ho an’ny fahasalamana saingy mbola any amin’ny 6 isan-jato izany amin’izao fotoana. Ady sisika atao raha ny nambarany ny mba hanokanan’ny fitondram-panjakana vola amin’izay ady amin’ny VIH/SIDA sy ny amin’ny zo sy fahasalamana ara-pananahana na ny SDSR. Nanamafy ny Dr. RAKOTOARIMINO Andrianina Désiré, Tale Jeneralin'ny Fisorohana ara-pahasalamana fa mafimafy kokoa ny paikady ho entina miady amin’izy ity satria raha olona vitsy no nokendren’ny paikady teo aloha dia faobe izany hoe mahakasika ny olom-pirenena rehetra ny paikady apetraky ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka toy ny «fonds mondial» izay tena mamatsy vola betsaka indrindra amin’izao fotoana. Tanjona iraisana ny hisoroka sy hampihena ny tahan’ireo olona mitondra ny tsimok’aretina VIH/SIDA.
LALAINA RAV
 

Dans la même rubrique