airtel

Fahasalamana

27-nov-2023

MIRONGATRA NY GRIPA MAHERY

Manentana ny hanaovana arovava orona ny tompon’andraikitra

Sample post image

Mirongatra ny gripa mahery eto amintsika efa ho iray volana sy tapany izao.

27-nov-2023

Olona 20 isan’andro raha kely no tonga manatona dokotera tsy miankina iray vokatr’izany raha efa mihoatra ny 40 isa ny eny anivon’ireo hopitalim-panjakana toy ny CSB II. Raha araka ny fitsirihana nataon’ny Fitalevana misahana ny Fanara-maso ny fivoaran’ny Valan’aretina eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro eto amintsika no antony tena mampirongatra io gripa mahery io izay miseho amin’ny endriny maro samihafa, miankina amin’ny toe-batan’ilay marary. Miantso ny amin’ny tokony hametahana arovava orona izy ireo noho izany mba tsy hiparitahan’ity gripa mahery ity hainganabe. Toraka izany koa fanasana tanana matetika amin’ny rano madio sy savony, ny fanajana ny elanelana isam’batan’olona… Vonona mandrakariva handray ireo marary rehetra moa na aratoro- hevitra, na fitsaboana ireo tobim-pahasalamana rehetra manerana ny Nosy. Anisan’ny tena fady amin’ity gripa mahery ity moa ny fanaovana dokotera tenany hoy hatrany ireo tompon’andraikitra.
Pati
Legende : Aleo miverina manao arovava orona indray hisorohana ny aretina tsy hiparitaka !

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nalaza tato ho ato ny firongatry ny alika romotra na ny kaitr’izy ireny sy ny fepetra

Card image cap