Takiana amin’ireo mpandeha rehetra ho any amin’ny Vondron’ny Kaomoro ny famenoana taratasy mirakitra ny mombamomba azy ireo ara-pahasalamana, mialoha ny fahatongavana any an-toerana. Nampita izany fepetra izany ny Madagascar Airlines, araka ny toromarika navoakan’ny manampahefana kaomorianina tamin’ny 23 oktobra 2026. Tanjona amin’ity fepetra ity ny hanamafisana ny fanaraha-maso ara-pahasalamana eny amin’ny sisin-tany sy hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny valanaretina, indrindra ny aretina ateraky ny tsimokaretina Ebola. Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanamafisana ny fitandremana ara-pahasalamana manerana ny kaontinanta afrikanina izany. Araka ny angon-drakitra navoakan’ny Ivontoerana Eoropeana misahana ny Fisorohana sy ny Fanaraha-maso ny Aretina (ECDC), hatramin’ny 26 oktobra 2026, dia efa nahatratra 10 000 teo ho eo ny tranga voamarina tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Kongo. Nahitana tranga sivy ihany koa i Kenya, ka roa tamin’ireo no namoy ny ainy, raha tranga iray kosa no voamarina tany Nizeria. Ho an’i Ogandà, izay nahitana tranga 20, dia efa nambaran’ny manampahefana ara-pahasalamana fa nifarana tamin’ny volana aogositra lasa teo ny valanaretina. Manoloana izany toe-draharaha izany, dia anisan’ny fepetra noraisina hanamafisana ny fiarovana ara-pahasalamana ny fitakiana ny taratasy momba ny fahasalaman’ireo mpandeha ho any Kaomoro. Tokony hanaraka izany toromarika izany ireo rehetra mikasa ny handeha any amin’io firenena nosy io. Ahian’ny Kaomorianina hisy ebola eto Madagasikara sa noho ny fifandraisantsika amin’ny nosy efa efa misy toa an’i Kenya? Mazava ho azy fa tokony hanamafy ny fepetra efa noraisina ihany koa i Madagasikara.
Toky R