isan-karazany. Fanapahan-kevitry ny DIFP na ny direction des instituts de formation des paramédicaux io raha araka ny loharanom-baovao azo, tranga izay tsy mbola nisy ary tsy mbola niainan’ireo sekoly ambony tsy miankina hatramin’izay teto amintsika.
HATRAMIN’NY 1 400 000 ARIARY
Tsy maintsy midina mijery ilay sekoly hono mantsy ny DIFP ary mandoa vola 1.200.000 ka hatramin’ny 1.400.000 Ar ilay sekoly ambony iray vao mahazo taratasy izy ireo fa afaka mianatr’asa eny anivon’ny hopitalim-panjakana ny mpianany. Raha mankany amin’ny faritany indray ny DIFP manao izany fidinana ifotony izany dia fantatra fa mitambatra ireo sekoly ambony misy ao amin’ilay toerana ka handoavana 14.000.000 Ar izy ireo miampy ny sakafo hohaniny sy ny fandaniany rehetra…. Raha araka ny fitarainan’ireo sekoly ambony tsy miankina hatrany moa dia tsy nanaiky izany ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka vaovao teo aloha teo. Ankehitriny anefa dia toa mangina izy raha tsy miditra amin’izany kosa ary tsy manaiky izany velively hoy ny vaovao ny Ministeran’ny Fampianarana ambaratonga ambony izay tena mpiahy ireto sekoly ambony tsy miankina amin’ny fanjakana ireto. Fifamalianabe vokatr’izany no nihafaran’ilay fivoriana notanterahin’ny roa tonta tetsy Mahamasina ny faran’ny herinandro teo ka tsy nisy ny zavatra tapaka. Raha tsy fidiny izany. Fanontaniana napetrak’ireo sekoly ambony araka izany ny hoe : tsy mahalala io tranga io ve ny Ministry ny fahasalamam-bahoaka vaovao ankehitriny sa izao no manome baiko ity sampandraharaha iray ity haka volabe amin’izy ireo ?
Nangonin’i Pati