Andriandrainarivo Josephin, no nanangana azy ity fa ny fanjakana sy fiaraha-miasa amin’ny OMS. Miezaka izahay, hoy izy, manerana an’i Madagasikara mivondrona ato satria ato no sehatra hanajana ny lalàna sy fitsipika ara-moraly sy fitondra-tena. Ato no anarahana ny lalàna sy toromarika rehetra hahafahana mameno azy tanteraka amin’ny sehatra maoderina. Sehatra iaraha-miasa amin’ny tomponandraikitra ara-pahasalamana rehetra sy voakasiky ny resaka fahasalamana sy kolontsaina ary tontolo iainana ato. Mifamory toy izao izahay ahafahanay mifanome toromarika mikasika izany. Nandalo fotoan-tsarotra izahay ny taona 2020 noho ny fitsofotsofoan’ny olona tsy mpanao ilay asa teto amin’ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana akory. Lasa nanala baraka sy nanahirana ny sehatry ny fahasalamana mihitsy noho ny fanaotaovam-poana isan-karazany. Miara-mikaon-doha sy mitondra ny fitarainanay amin’ny fitondram-panjakana izahay ankehitriny manoloana ny zava-misy rehetra mikasika an’izay manerana ny nosy. 10.267 no isanay fa 300 no natao tonga teto anio. Noho ny fahalaviran’ny toerana, ny enti-manana ara-bola dia tsy afaka ny maro aminay. Mametraka ny hoe tokony handray vola amin’ny asa atao didim-panjakana mifehy ny asanay nefa mbola miaina amin’ilay hoe izay foy, ny fahafahan’ny olona ny fitsaboana nentim-paharazana ka betsaka no tsy afa-mamonjy ny fivoriana tahaka izao. Hahafahana mametraka ny biraom-pandrindrana isam-paritra sy ditrika izao fivoriambe izao satria tsapa fa misy ny rantsa-mangaika banga. Ahafahana manara-maso akaiky ireo mpitsabo izany no sady hahafahana mametraka fiaraha-miasa mirindra amin’ny sehatr’asa maoderina, hoy hatrany ny ANTM. Ho apetraka araka izany ny biraom-pandrindrana isam-paritra iadiana amin’izay fisolokiana anaty fitsaboana nentim-paharazana izay.
J. Mirija