Josephin Andriandrainarivo, fa dia gaga amin’ilay fikambanana hoe manome fampiofanana 3 volana dia vita aho. Ilay olona miteny hampiofana tsy mpitsabo nentim-paharazana akory, hoy izy. Inona izany no hampianariny nefa izy aza tokony hampianarina? Ny zavatra teneniny “argomedical” na ivelan’ny fitsaboana nentim-paharazana daholo. Tsy fampiasa aty izany teny hoe “cancer” sy fibraoma izany. Mila mianatra, mila mizatr’asa ary mila hita hoe tena miasa sy ampy traikefa fa tsy resadresaka ambony latabatra fotsiny ny fitsaboana nentim-paharazana. 15 taona ny olona iray vao azo antoka hoe mpitsabo nentim-paharazana fa tsy 3 volana, hoy hatrany ny ANTM.
J. Mirija
Olona enina tapitrisa mahery no voaaro tamin'ny aretina tazomoka tato anatin’ny 5 taona teto amintsika.
Zary lasa aretina mpahazo ny olona maro ankehitriny ny fahatapahan’ny lalan-dra. Any amin’ny loha amin’ny ankapobeny no tena henjehin’izy io,