vao mahita tobim-pitsaboana amin’izao. Voakasik’izany avokoa na ireo olon-tsotra marary na ny vehivavy handeha hiteraka, antony nanosika ny fanjakana Japonais hanolotra fiara fitondrana ho an’ny marary ho azy ireo. Tamin’ny alalan’ny diosezin’i Toamasina no nanolorana izany fitaovana izany afak’omaly Sabotsy 08 Febroary. Faly vokatr’izany ny mponina ka nisaotra ireo mpiara-miombon’antoka roa izay angady nananana sy vy nahitana izany. Raha araka ny fantatra moa dia mbola ny firenena Japonais ihany koa no nanolotra fiara fitondrana marary miisa 3 ho an’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina ho fanampiana ny mponina.
Pati
Legende : Nahazo fiara fitondrana marary ireo mponina any amin’ny distrikan’i Toamasina II !