izany izy io ka aretin’andoha no hiandohany, tranga miseho efa ho iray volana eo ho eo izay. Tsentsinabe ny orona avy eo, mikohoka na marary tenda ihany koa arahin’ny vava masaka na irony antsoina hoe : aphte irony. Malain-komana ihany koa no sady reraka ilay marary ary mety ho fanina mihitsy indraindray vokatry ny fahanana be loatra. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina dokotera iray dia vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro no antony mahatonga io aretina hafahafa io. Mangatsiaka ny maraina sy amin’ny alina. Mamaibe amin’ny atoandro raha arahina ranon’orana ny folakandro. Ireo rehetra ireo no mitambatra mifampikasoka amin’ny vatana mivantana no antony mahatonga izany hoy hatrany ity dokotera ity ka ireo kely hery fiarovana no tena lasibatra indrindra. Tsy azo hodian-tsy hita koa anefa hoy izy fa mbola eo ny COVID 19 izay amin’ny alalan’ny fitiliana ihany no hahafantarana azy, hoy hatrany ity dokotera ity ka ho an’ireo hita fa hafahafa dia tsy maintsy jerena akaiky.Tsy mifidy taona moa io aretina io na ankizy na olon-dehibe. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina farmasiana iray dia ireo fanafody iadiana amin’ny gripa sy ny tazo izao no tena mandeha arahin’ny vitamina C. Anisan’ireny ny doliprane, ny fervex,….
Pati
Legende : Marobe ireo olona marary tonga manatona dokotera tato ho ato !
Nalaza tato ho ato ny firongatry ny alika romotra na ny kaitr’izy ireny sy ny fepetra