airtel

Fahasalamana

07-mars-2022

Fahasalamana

Olan’ny tosi-dra Ny 70%-n’ny Malagasy no

Sample post image

Anisan’ny olana ara-pahasalamana iray tena mamely ny Malagasy ny tosi-dra amin’izao. Raha araka ny fanadihadiana natao mantsy dia ny 70%-n’ny Malagasy

07-mars-2022

 no lasibatr’izany ka saika voa sy miaina izany avokoa na ireo tanora vao herotrerony na ireo efa nahazoazo taona. Ho an’ireto farany dia vokatry ny fihinanana sakafo be menaka sy mamy loatra nandritra ny hatanorana no mahatonga izany ka any amin’ny fahalehibiazana vao manenjika mafy ilay aretina. Ho an’ireo tanora vao herotrerony kosa indray dia vokatry ny fihinanana ireo karazan-tsakafo feno akora simika no manafaingana azy io. Tsy aretina mantsy ny tosi-dra raha araka ny fanazavan-dRamandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny ivon-toeram-pitsaboana Aina Soa etsy Namontana. Resaka fatran’ny fikorinan’ny ra ao anatin’ny vatantsika izy io raha araka ny nambarany ka ilana fitandremana be. Ho an’ireo olona efa manana olana matetika mikasika azy io anefa raha sanatria tojo fihetseham-po mavesatra hoy izy dia mety hijanona tampoka ny fony na ho tratry ny AVC mihitsy izay mety hihafara amin’ny fahafatesana. Azo sorohana tsara anefa ity tosi-dra ity hoy hatrany izy. Ireo sakafo be menaka sy siramamy ary ny fihinanana ireo zavatra be akora simika no hahena fa soloina sakafo ara-pahasalamana sy natoraly . Lasa mamorona vato any anaty lalandra mantsy izy ireny, antony mampavesatra ny fikorinan’ny ra izay mety hiteraka fahantsentsemana mihitsy ka mety hihafara any amin’ny AVC. Marihina moa fa azo tsaboina tsara ny tosi-dra. Azo tanterahina amin’ny alalan’ny otra izany saingy mpanotra manam-pahaizana manokana ihany koa fa tsy ny mpanotra rehetra akory. Ny mba hahafahana manokatra ilay lalandra mantsy toy ny hataon’ny ivon-toeram-pitsaboana Aina Soa etsy Namontana.
Pati
Legende : Mahafaty ny aretin’ny tosi-dra na miteraka AVC rehefa tsy voatsabo
(sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

08-mai-2024

Tsy ny lehibe ihany no mahita faisana vokatry ny fiparitahan’ny tsimok’aretina Vih/SIDA

Card image cap
08-mai-2024

Mirongatra fatratra ny aretina tazomoka any amin’ny distrikan’i Moramanga.

Card image cap
07-mai-2024

Tsy hanaiky intsony fa hanenjika ireo infirmiera sandoka manerana ny Nosy ny holafitry ny infiermiera eto

Card image cap