airtel

Fahasalamana

20-août-2026

PARAMEDY MANDRAY

ANDRAIKITRA

Sample post image

Miisa 27.000 ireo namany mbola

20-août-2026

tsy an'asa manerana ny Nosy
Taorian'ireo sendika eo anivon'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena dia namoaka ireo maharary azy ihany koa ny sendikan'ny Paramedy hivondronan'ny mpitsabo mpanampy sy ny mpampivelona omaly nahitana ny Paramedy Mandray andraikitra. Fantatra tamin'izany fa mbola mahatratra 27.000 isa izy ireo no tsy an'asa manerana ny Nosy. Misy indray ireo efa miasa ihany saingy manao bénévole fa tsy handoavan-karama. Ny Paramedy no tena mampandeha ny asa eny anivon'ny hopitaly hoy izy ireo indrindra fa ny any ambanihovitra. Tsy misy dokotera mihitsy matetika any amin'ireny ivon-toerana ireny fa ny infirmiera sy ny mpampivelona no mikarakara sy mandray an-tanana ny fahasalamam-bahoaka. Ho an'ireo efa voaray ho mpiasam-panjakana indray dia nambaran'izy ireo fa mbola 90 Ar hatreto ny indemnité de logement izay nambaran'izy ireo fa efa tena tsy rariny intsony. Nosokafana omaly Alarobia 19 Aogositra tetsy amin'ny Mon goûter Andrefanambohijanahary ny fihaonamben'ny sendikan'ny Paramedy. Haharitra 3 andro izany ka anisan'ny tanjona ny hijery ny maharary azy ireo, ny handray soso-kevitra avy amin'ny mpikambana hahafahana mamaha izany, indrindra fa ny hampahafantarana ny Fitondram-panjakana ny tena zava-misy marina.
Pati
Légende : Ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Vovonana Paramedy mandray andraikitra !

 

Dans la même rubrique

VIH
20-août-2026

hanaovana fanentanana ireo oniversite 6

Card image cap
20-août-2026

Tontosa tao Ihosy ny fiofanan’ireo mpitantana

Card image cap