airtel

Fahasalamana

15-sept-2023

Rarin-tsaina, fahasarotan’ny fiainana,…

Mitombo be ireo olona lasa mifoka sigara

Sample post image

Tena sarotra ny fiainana! Tsy misy izay tsy miaiky izany ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy izay tena mivoaka sempotra tokoa.

15-sept-2023

Tsy ampy hiainana intsony ny karama isam-bolana, tsy misy ny fahafahana hitsaboana tena raha sanatria ka marary, ny vidin-javatra tsy mitsaha-miakatra isan’andro, tsy voaloha intsony ny hofantranon’olona, ny vady mampirafy….Vokatr’ireo trangam-piainana maro samihafa ireo dia tsy vitsy ireo laasa manatao foana. Ankoatra ireo miditra bara misotro toaka sy miloka izay tsy hanavahana na lahy na vavy dia mitombo isa ihany koa amin’izao ireo olona lasa mifoka sigara. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra enta-madinika iray tetsy Anosy dia ny news sy ny good look maintso no tena be mpividy. Mahalany 4 fonosana isanisany amin’ireo ny mpivarotra iray isan’andro raha kely nefa efa 200 Ar latsaka ny iray. Misy amin’ireo mpividy raha araka ny nambarany no efa mivatsy briquet mihitsy mba hifohana izany raha misy ihany koa ireo mangataka afo amin’ny manodidina. Saika olona manana adin-tsaina avokoa hoy hatrany ity mpivarotra ity ireo manao izany ka manary dia. Misy moa dia mahavita tsy mijery kafe sy mofo mihitsy na dia noana tsy mihinan-kanina atoandro aza fa hividianana sigara mba hanalana sorisory vokatry ny hasarotan’ny fiainana. Tsiahivina hatrany anefa fa mahavoan’ny aretin’ny taovam-pisefoana ny fifohana sigara. Mankarary vavony ihany koa ary tena ratsy dia mahavoa ny homamiadan’ny havokavoka.
Pati
Legende : Any anatin’ny fifohana sigara sisa no maka fafiny ny sasany !

 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Mampaneno lakolosy amin’ny loza mitatao ho an’ny daholobe vokatry ny

Card image cap