tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Fahasalamana

Resabe niparitaka tetsy sy teroa Nanazava ny momba ilay « paracétamol » ny ministera

Betsaka ireo olona nikorotan-tsaina nanoloana ilay vaovao niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera facebook fa ahitana ilay virus machipo ao anatin’ireo fanafody paracetamol hamidy eto amintsika.

24-janv-2023

Sample post image

Nandiso avy hatrany io vaovao niely io ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny fitalevana miandraikitra ny fanafody omaly. Miantso ny vahoaka ho tony izy ireo ary tsy handairan’izany tsaho izany. Fanafody efa vita fitiliana sy voahara-maso avokoa mantsy ireo miditra eto amintsika hoy hatrany ny ministera ka tsy misy atahorana. Tsaho efa niely tany amin’ireo firenena maro samihafa tany ivelany rahateo io tsaho io tamin’ny taona 2017 tany ho any hoy hatrany ny fanazavan’izy ireo. Raha sanatria ka mahita na iharana tranga hafahafa mifandraika amin’ny fihinanana io fanafody io moa ny tsirairay dia miantso azy ireny mba hampandre avy hatrany ny Centre National de pharmacovigilence na ny agene du medicament de Madagascar sy ny Ministera tompon’andraikitra ireto farany hahafahana mandray ny fepetra mifanaraka amin’izany. Mbola azo hanina tsara araka izany ny paracetamol fa tsy atahorana hitondra io virus machipo io ao anatin’ny vatan’olombelona.
Pati
Legende : Mbola azo hanina tsara ny paracetamol, hoy ny ministera’ny fahasalamam-bahoaka
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Dokam-barotra momba ny fanafody Misy fepetra tsy maintsy arahana
07-juin-2023

Olana lehibe tao anatin’ireny savorovoro niseho teo aloha mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana ireny ny fisiana dokam-barotra isan-karazany izay voalazan’ny lalàna fa tsy tokony ho atao,

Card image cap
Fitsaboana nentim-paharazana Simba ny ara-kolontsaina, sosialy, toekarena noho ny fanaonaovam-poana
07-juin-2023

Taorian’ny taona 2019 dia omaly indray vao niverina nanao fivoriambe toy izay fanaony isan-taona tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto etsy Mahamasina ny fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana malagasy na ASTRAMA.

Voir plus