Efa tafidina hatrany amin’ny 2 degre mihitsy ny maripana tamin’ny faran’ny herinandro teo tany Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra izay mila tsy ho zakan’ny fahasalaman’olombelona intsony. Ilana fitandremana be io fiovan’ny toetr’andro tena mangatsiaka loatra io raha araka ny fanazavan’Atoa Rija Mandimbison, tompon’andraikitra eo anivon’ny Centre Ainasoa. Nambarany fa aretina maro no mety aterak’izany toy ny aretin’andoha, ny fanaviana izay mampandamaka mihitsy, ny gripa mahery izay mety hivadika tazo mihitsy raha tsy lazaina intsony ireo aretin’ny taovam-pisefoana toy ny asma, ny koho-maina mampihizina ny tratra…. Vahaolana arosony araka izany ny tokony hihinanana ireo sakafo be otrik’aina mba hahafahana mampiakatra ny hery fiarovana. Ho azy ireo manokana moa dia hisy indray ny fizarana vitamina sy calcium ary manezioma maimaimpoana hotanterahiny manomboka ny 01 jolay ho avy izao ho an’ireo tonga mitsabo tena ao aminy.
Pati
Legende : Atoa Rija Mandimbison, mpitsabo amin’ny vokatra natoraly
Nalaza tato ho ato ny firongatry ny alika romotra na ny kaitr’izy ireny sy ny fepetra