Hifarana anio sabotsy 11 septambra 2016 rehefa naharitra telo andro etsy amin'ny INSPC Befelatanana, ny fifaninanam-pirenena hahazoana mari-pahaizana « Professeur Agrégé en Médecine Humaine et Odonto-Stomatologie ». Andiany fahadimy ity tanterahina ity, ary isaky ny efa-taona no anatanterahana azy. Kandidà miisa 38, avy amin'ny Fakiolten'ny Fitsaboana amin'ireo Oniversite enina eto Madagasikara, no mifaninana. Ity fifaninanana ity no lalana tokana ahafahan'ny mpitsabo manampahaizana manokana miroso amin'ny asa « hospitalo-universitaire » izany hoe : manao ny fampianarana ny fitsaboana eny amin'ny Oniversite sy ny fitarihana ny fikarohana ara-pahasalamana. Mpitsabo efa nahavita fiofanana manokana sady manana traikefa lalina eo amin'ny fitsaboana, ny fampianarana ary ny fikarohana no afaka mirotsaka. Amin'ny ankapobeny dia manodidina ny 20 taona aorian'ny nahazoana ny mari-pahaizana Dokotera amin'ny fitsaboana vao tratra izao dingana ambony izao. Hivoaka anio 11 septambra 2026 ihany ny valin'ity fifaninanana.
Nangonin'i Jean D.
Taorian'ny lanonam-panokafana ny fifaninanana tetsy Befelatanana