manao fandrindram-piainam-pianakaviana ireny tany Soavinandriana Faritra Itasy ny faran’ny herinandro teo. Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tany an-toerana no nahafantarana izany. Nambaran’ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka nandritra izany ary fa tsy hanaiky lembenana intsony ny amin’ny hafitsok’ireo mpivarotra minia manararaotra ny fahasahiranan’ny vahoaka tahaka izao izy ireo. Tsy hamidy ny fanafody fandrindram-piainam-pianakaviana ho an’ny vehivavy raha ny nambarany fa maimaim-poana ary eny amin’ny tobim-pahasalamana irery ihany no hakana izany. Mitohy ny fanaraha-maso sy ny fidinana ifotony tampoka hataon’izy ireo noho izany koa miala tsiny sahady amin’izay mety ho tratra ny tenany. Tsiahivina moa fa any amin’ireo kaominina ambanivohitra sy saro-dalana matetika no tena ahitana tranga tahaka izany.
Pati
Legende : Tsy amidy itony fa omena maimaimpoana ireo vehivavy tonga manatona tobim-pitsaboana