Saika tsy manana fahafahana ny handeha dokotera manokana misahana izany na cardiologue anefa ny ankamaroan’izy ireny noho ny halafosan’ny vola tsy maintsy aloha. Mila manomana 30.000 Ar mantsy raha kely ho an’ny fizaham-pahasalamana fotsiny ankoatra ny fanohizana ny fitsaboana. Mba hahafahana manampy ireny karazan’olona ireny indrindra dia nanatanteraka fizaham-pahasalamana maimaim-poana sy analizy tetsy amin’ny 67 ha misy ny foiben’ny fikambanam-behivavy Soroptimist International Club Antananarivo Doyen ny Tia Aina, notarihin’ny dokotera Feno Rabenirina manam-pahaizana manokana momba ny fo avy any amin’ny Nosy rahavavy La Réunion. Olona an-jatony no nahazo tombontsoa tamin’izany, fitsaboana nampiasana ireo fitaovana faran’izay raitra. Samy maniry ny hitohizan’ny hetsika ara-pahasalamana tahaka izao avokoa moa ny rehetra indrindra fa ireo sahirana ara-pivelomana izay marihina fa voatery manao dokotera tenany avokoa ny ankamaroany. Tsiahivina moa fa ankoatra ny tsy fahaizana mifehy ny fihetsem-po, ny nify goaka tsy voatsabo dia miteraka aretim-po ihany koa ny ranomaso iainan’ny Reny mitondra vohoka iray na ho azy izany na ho an’ilay menaky ny ainy.
Nangonin’i Pati
Legende : Marobe tahaka izao ireo olona tonga tetsy amin’ny 67 ha tamin’ny sabotsy teo.
Akaikina toerana saropady be na “sanctuaire” isika dia i Afrika atsimo,
Mila ialana ny fieritreretana mahazatra fa serisery madinidinika ny valanaretina miparitaka ankehitriny,