airtel

Fahasalamana

12-avril-2023

Fahasalamana

Tranga tao amin’ny HJRA Iray ihany no tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo

Sample post image

Tena sahirana ny olona. Vitsy ihany ireo nahavita nihinana sakafo miavaka amin’ny mahazatra.

12-avril-2023

Olona iray monja no fantatra fa tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo nandalo tao amin’ny hopitaly HJRA ny fetin’ny Paska sy ny alatsinain’ny Paska teo. Lehilahy iray ihany koa no toran’ny toaka tsy nahatsiaro tena. Lehilahy iray sy vehivavy iray no tratry ny fahatapahana lalan-dra raha miisa 4 ireo tratry ny valan’aretina Covid 19 izay hampahatsiahivina fa tena mbola misy tokoa. Raha araka ny tatitra azo teo anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha hatrany dia nihena ireo olona nanana olana tonga nanatona azy ireo nandritra ny fety raha oharina tamin’ny taon-dasa. Lasa 159 isa mantsy ireo tonga nizaha fahasalamana tao amin’izy ireo raha nahatratra 198 izany tao anatin’ny roa andro tamin’ny taon-dasa. Ny 24 tamin’ireo no voatery naiditra hopitaly.
Pati
 

Dans la même rubrique