airtel

Fahasalamana

05-mars-2024

VATAN’OLOMBELONA

Mila diovina matetika hisorohana ny aretina tsy hihanaka

Sample post image

Toy ny zavatra rehetra dia mila kolokoloina ihany koa io vatantsika

05-mars-2024

io mba hahazoana fahasalamana. Diovina ihany koa ny taova sy ny ra mba tsy hitambatra ireo loto ao anatiny ka hiteraka aretina marobe. Tsy mijanona amin’ny resaka fanaovana fanatanjahantena izany fa ilaina mihitsy ny manao detox raha araka ny fanazavan’Atoa Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Ainasoa. Ireo sakafo hohanina mantsy dia miteraka loto maro be isan-karazany ( toxine) indrindra fa ireny sakafo betsaka akora simika ireny, raha araka ny fanazavany. Ireo poizina ratsy ireo anefa dia miteraka loto sy arefesinana ratsy any amin'ireo taova toy ny aty sns...Rehefa mihabetsaka izany loto ratsy izany dia maloto ny rà ka tsy mikoriana tsara ary lasa miteraka ny aretin’ny tosi-dra. Marary ny vavony, misy olana eo amin'ny maso, miofakofaka ny hoditra, mibotsimbontsina kely ny hoditra ary mangihidihidy, tsy ampy ny ra, misy olana eo amin’ny tsinay, lasa voan’ny homamiadana ilay olona …Tsiahivina moa fa manana vokatra hahafahana manao io detox io izy ireo, fitsaboana mandritra ny herinandro ny iray tavoahangy.
Pati
Legende : Tokony hanao detox ny olon-drehetra hoy Atoa Mandimbison Rija !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tafakatra 65% ny tahan’ireo tanora tovovavy sy vehivavy manao fanabeazana aizana eto amintsika

Card image cap