airtel

Fahasalamana

15-juin-2023

Fahasalamana

Vatomandry Handalo fandidiana ilay zaza menavava tsy misy lava-body

Sample post image

Zaza menavava iray vao teraka no fantatra fa tsy nisy lava-body avy any am-bohoka tany Ambodivotaka, distrikan’i Vatomandry.

15-juin-2023

Tsy nandry ny sain’ireo ekipan'ny Fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka Atsinanana fa nitady izay toerana nisy io zaza io sy ny Ray aman-dReniny. Ny alin’ny 13 Jona teo no hita soa aman-tsara io zaza io ka nentina avy hatrany tany Vatomandry handeha hamonjy ny CHU Analankininina Toamasina. Efa nahazo ny "premièrs soins" tao amin'ny CHRD Vatomandry moa ity zaza ity mialohan’ izao nandehanany izao ka nisitraka ny "fonds d'urgence". Hitohy amin’ny fikarakarana sy ny fandidiana azy ireo dokotera manam-pahaizana mifandraika amin’izany amin’ity herinandro ity mba hahazoan’io zaza io fahasalamana ara-dalàna. Hatreto moa dia mbola ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka Atsinanana no mandray an-tanana azy io. Tafiditra ao anatin’ny tsy fahatomombanan’ny fiharian’ny zaza ao am-bohoka moa ny tranga tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zaza menavava efa raisin’ny mpitsabo an-tanana
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nalaza tato ho ato ny firongatry ny alika romotra na ny kaitr’izy ireny sy ny fepetra

Card image cap