airtel

Fahasalamana

17-oct-2023

VIH miparitaka

“Efa mifindra amin’ny alalan’ny fofonaina”

Sample post image

Efa niteny aho, hoy ny mpikaroka Zaranaina Christian, tamin’ny fotoana nivoahan’ilay Corona farany teo.

17-oct-2023

Ilay SARS-COV-2 teo, hoy izy. Zava-doza, hoy aho, raha mifangaro ny “gène” na taharo entin’ny Corona sy VIH satria hanomboka hiseho amin’izay ny hoe VIH mifindra tsy amina firaisana ara-nofo na amin’ny ra fa amin’ny alalan’ny fofon’aina sy fifampikasohana fotsiny. Io fa miseho ilay izy. Lasa tafatambatra izany ny “gène” mitondra ny Corona sy VIH dia lasa mifindra amin’ny fomba tsotra dia tsotra ny VIH ary lasa loza mahatsiravina. Efa tamin’ny herintaona aho no niteny fa tandindonin-doza i Madagasikara ary tsy eto irery io fa manerana izao tontolo izao. Iarahantsika mahita any Eoropa izao fa mivady indray ny otrikaretina na “virus” amin’ny gripa sy Corona. Amin’ny alalan’ny gripa indray izany no ipoiran’ny Corona. Raha taizan’aretina ilay olona dia misoavaly izay aretina izay fotsiny ireo dia mety hiteraka fahafatesana mihitsy. Efa ela no nilazanay fa “blocage de mutation” na fanakanana ny fifindran’ny valanaretina ihany no vahaolana amin’io. Tsy misy mihaino moa ny tena. Raha vao tsy manohana ny fitondram-panjakana dia zava-poana ny zavatra ohatran’ireny. Mbola miantso ihany aho hoe andao re jerena fa ho zava-doza izy ity. Aleo miazakazaka amin’ny fitsaboana raha sanatria hafahafa fa aretina tokony tsy haha menatra intsony io. Na any ivelany aza efa miparitaka izany VIH izany ary azo sitranina tsara. Efa miverina ny andrana azo hanaporofoana izany, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Mampaneno lakolosy amin’ny loza mitatao ho an’ny daholobe vokatry ny

Card image cap