airtel

Fahasalamana

02-mai-2024

Vokatr’i Edmond Ed1

«Mpisoloky ireny mpitondra mandehandeha ireny»

Sample post image

Mandeha tsara amin’izao fotoana izao ny famokarako, hoy ny mpitsabo nentim-paharazana avy ao Ambohimafana,

02-mai-2024

kaominina Miarinavaratra, distrikan’i Fandriana, faritra Amoron’Imania, Edmond Alfred Rakotomalala, fantatry ny maro amin’ny hoe Edmond Ed 1. Tsy manaotao foana fa tsy maintsy manaraka ny lalàna velona ny tenako, hoy izy, satria raha Ed 1 izy tamin’ny 2020 izay niadiantsika tamin’ny Coronavirus ireny ary tsy Coronavirus ihany no nositraniny fa hatramin’ny resaka fahaseporana rehetra, ohatra. Isany ny Raboka na «tuberculose», ny fahatsetsenan’ny lalan-drà. Tsy nijanona teo amin’ny Ed 1 ihany moa ny vokatra fa efa hatramin’ny Ed 9 izay nivoaka ny taona 2023 teo isika izao. Samy manana ny sokajin’aretina azony sitranina ireo vokatra karazany miisa 9 ireo ary mifameno amin’ny fitsaboana maoderina. Niezaka ny hametraka tantara sy soa eto amin’ity Madagasikara ity ny tena ary tsy nitsahatra nanao fikarohana satria manan-karena loatra isika malagasy raha resaka zava-maniry nomen’Andriamanitra entina hanasoavana ny firenentsika. Hatsaraina sy jerena any amin’ny toeram-pitiliana na laboratoara mihitsy ireo vokatra ireo vao alefa ho jifain’ny vahoaka. Karazan-java-maniry miisa 140 hatreto no nampiasaina tamin’ireo vokatra miisa 9 ireo raha atotaly. Ny omby maty, hoy ny fitenintsika malagasy, tsy dia ahoantsika loatra fa ny hena no hanintsika. Toy izay koa ny zava-maniry. Ny tenan’ny olona voaharo no zava-dehibe. Ny aretina sarotra sitranina indrindra hatreto dia ny «asthme» na hasemporana fa afaky ny Ed 8. Ny Ed 9 kosa natao hanasitrana «rhumatisme» sy «arthrose», izany hoe, ny mangorangorana sy mangotsokotsoka amin’ny vatany ireny dia ny voa na «rein». Tsy azo hitetezana trano ireo famoronako ireo na atao amin’ny toerana tsy lavorary fa efa amina toerana manokana misy ny sariko sy famantarana ny fikambanako eto amin’ny firenena sy iraisampirenena ary ambarako eto fa mpisoloky ireny mpitondra mandehandeha ireny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tafakatra 65% ny tahan’ireo tanora tovovavy sy vehivavy manao fanabeazana aizana eto amintsika

Card image cap