airtel

Fampianarana

25-mai-2023

Fampianarana

Adina ara-panatanjahantena bakalorea Mbola misy ireo tsy nahazo taratasy fiantsoana

Sample post image

Hanomboka amin'ny herinandro ho avy io ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny fanadinam-panjakana Bakalorea eto amin’ny Faritanin’Antananarivo.

25-mai-2023

Ny mahavariana anefa hoy ireo Ray aman-dReny sy mpiadina sasany dia mbola maro amin’ireto farany no tsy nahazo taratasy fiantsoana.Efa nanao fitarainana teo anivon’ny ofisy misahana ny Bakalorea ny sekoly misy azy ireo ka fantatra tamin’izany fa vokatry ny ny antontan-taratasy tsy hita sy nikorontana no nahatonga izany. Nilaza noho izany ireo sekoly ireo fa efa namaha ny olana ny ofisy saingy mbola tsy nahazo taratasy fiantsoana ireo mpianatra hatreto. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa ary fa mbola manana herinandro ny ofisy handefasana ny taratasy fiantsoana ka tsy tokony hitaintainabe ireo mpiadina sy ny Ray aman-dReny. Nohamafisin’ity tompon’andraikitra ity moa na dia izany aza fa mandeha araka ny tokony ho izy ny fikarakarana ny fanadinana Bakalorea taona 2023. Efa nanomboka omaly hoy izy ny fizarana ny valopy hasiana ny laza adina. Ny 17 ka hatramin’ny 21 jolay ho avy izao moa no hanatontosana ny adina an-tsoratra ho an’ny fanadinam-panjakana Bakalorea manerana ny Nosy.
Pati
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE

Card image cap
28-mai-2025

Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana

Card image cap