ny fanadinam-panjakana CEPE raha fotoana vitsy aorian’izay ny BEPC. Tsy vitsy amin’ireo mpiadina no miezaka mianatra mafy noho izany ka misy tsy nahafoy torimaso manontolo mihitsy ny sasany. Raha araka ny fanazavan’ny Dokotera Rakotonoelina Domoina anefa dia tena tsy azo hatao mihitsy izany. Mila matory ny mpiadina na dia ora 4 isan-kalina ihany aza.Ankoatra izay hoy izy dia tsy tsara ny mihinana fanafody mampisy fitadidiana na memoire fa vao manomboka ny taom-pianarana dia efa tokony arahin’ny Ray aman-dReny maso tsara ny fianaran-janany. Mihinana sakafo tsara sy vaovao ary miovaova koa, arahin’ny fisotroana rano sy fanaovana fanatanjahantena na dia amin’ny alalan’ny dia an-tongotra fotsiny ihany aza. Fadiana hoy izy nanafatrafatra ny manome rongony ny mpiadina mba hampatanjaka sy hananany fitadidiana ary hahafahany miari-tory mba hahaizany lesona. Misy Ray aman-dReny manao izany raha ny nambarany. Toraka izany koa ny fisotroana ireo karazana zava-pisotro mampatanjaka.
Pati
Legende : Ny Dokotera Rakotonoelina Domoina !