airtel

Fampianarana

15-juin-2026

Faritra Analamanga

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

Sample post image

Ho fanampiana ireo ankizy

15-juin-2026

mpianatra sy ho fitsinjovana ny ray aman-dreny, nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE rahampitso talata 16 jona 2026 ny Lehiben’ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, Raharinirina Clémence. Fitaovana izay ahitana règle, équerre, rapporteur, gaoma, fandranitana pensily hazo, pensily hazo miloko, pensily hazo tsotra, penina manga roa ary trousse tsirairay. Mpianatra 565 avy amin’ny EPP miisa 9 no nisitraka izany: 135 avy amin’ny EPP Anosipatrana, 45 avy amin’ny EPP Andranoro, 28 avy amin’ny EPP Imerinafovoany, 49 avy amin’ny EPP Talatamaty, 87 avy amin’ny EPP Ambohidratrimo, 120 avy amin’ny EPP Ivato Village, 30 avy amin’ny EPP Amboaroy, 25 avy amin’ny EPP Ambohidava Ambohimanarina ary 26 avy amin’ny EPP Mandrosoa Ivato. Nidina ifotony tamin’ireo sekoly niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy mihitsy moa Raharinirina Clémence, ka nanolotra mivantana ny fitaovana teo anatrehan’ireo talen-tsekoly sy mpampianatra. Tamin’ny EPP Imerinafovoany sy EPP Talatamaty dia nanatrika manokana ny Lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Ambohidratrimo. Nampiseho hafaliana ireo ankizy nahazo fitaovana vaovao, ary naneho fisaorana tamin’ny fo ho an’ireo mpanome. Nankahery sy nanome torohevitra kosa ny Lehiben’ny Faritra Analamanga mpisolo toerana, tamin’ireo mpampianatra sy mpianatra mba hanana fahatokisana, tsy hatahotra na hikoropaka mandritra ny fanadinana, hanankina izany amin’Andriamanitra, ary tsy hanadino ny kara-panondro maha-mpianatra sy ny taratasy fiantsoana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-juin-2026

Nitombo 2,11 % ny tahan'ireo

Card image cap
12-juin-2026

mpanala fanadinana

Card image cap