airtel

Fampianarana

24-nov-2026

Robotex

International 2026

Sample post image

Hifaninana any Korea Atsimo ny

24-nov-2026

MINI SUMO 500 grama » Malagasy

Mitohy ny fisokafan’ny talenta Malagasy amin’ny sehatra iraisam-pirenena, eo amin’ny robotika. Anisan’ny hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana « Robotex International 2026 » ny 24 novambra-01 desambra izay hatao any Korea Atsimo ny mpianatra 4 miralahahy anatin’ny ekipa CERISE avy amin’ny ENI Fianarantsoa ahitana an’i Mickael (Stratégie et optimisation), Roméo (Programmeur) Mathieu (Responsable électronique), Yankin (Responsable mécanique). Hetsika iray mampivondrona ireo tanora manan-talenta amin’ny teknolojia sy ny zava-baovao maneran-tany. Ny sokajy « MINI SUMO 500 grama » no andraisan’ireto tanora Malagasy ireto anjara. Namorona Robot iray izy ireo, io no hiady amin’ny robot an’ny mpifaninana. Araka ny fitsipiky ny lalao, ny tanjon’ilay robot dia ny manosika ny « robot » an’ny mpifanandrina hivoaka ny ringa boribory, ka izay mivoaka voalohany no resy. Tao anatin’ny fikarohana, ny famolavolana ary ny fandaharana informatika no nananganan’ireo mpianatra tsikelikely ny milin’izy ireo. « Mandeha ho azy sy mahaleo tena amin’ny alalan’ny « programme », izay manafangaro ny fitaovana elekronika miaraka miasa amin’ny code, elekronika,…», hoy ny fanazavan’i Mickael. Ezaka sy faharetana no nentina nanatratrarana izany, ary izao dia vonona ny hiatrika ireo mpifaninana avy amin’ny firenena maro maneran-tany izy ireo. « Miisa 71 ny mpifaninana avy amin’ny Firenena maro eran-tany, fa hiezaka izahay hiaro an’i Madagasikara amin’io sokajy io », hoy i Mickael. Mahay, hoy izy, ny tanora Malagasy ary ekena fa eo ireo firenena toa an’i Chine, Etazonia,… fa tsy mena-mitaha isika. Ao ambadik’ity tetikasa ity nanapa-kevitra hanohana sy hiantoka ny dian’ireo mpianatra mankany Korea Atsimo ny Orinasa MVola. . “Fotoana ahafahan’izy ireo maneho ny loko sy ny hasin’i Madagasikara io. Hianatra sy hifampizara traikefa amin’ireo tanora avy amin’ny firenena hafa izy ireo, ary hitondra lesona sarobidy ho an’ny firenena rehefa miverina,” hoy ny orinasa MVola raha naneho fa manohana ny fisokafana sy fisandratan’ny tanora amin’ny siansa sy ny teknolojia. Efa hatramin’ny taona 2010 no nirotsahan’i Mvola tamin’ny fanohanana ny tanora sy ny fampandrosoana ny fahaiza-manao eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ireo sekoly sy ivon-toeram-pampianarana dia miezaka mampifandray ny tontolon’ny fianarana sy ny asa ny orinasa anatin’ny tartigetra « miara-mandroso isan’andro » », raha ny fanamafisan’Atoa Dominique Rajaonarivony, Lehiben’ny Serasera eo anivon’ny MVola.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-nov-2026

Tanora Malagasy 19 hisitraka

Card image cap
23-nov-2026

Tandremo , fitaovana ihany

Card image cap