airtel

Fampianarana

23-nov-2026

Fampianarana

Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa

Sample post image

Tanora Malagasy 19 hisitraka

23-nov-2026

vatsim-pianarana any Maraoka
Tanora Malagasy miisa 19 no hisitraka vatsim-pianarana any Maraoka, hahafahany manohy fiofanana arak’asa sy manamafy ny fahaiza-manaony. Nisy ny lanonana nitsofan-drano azy ireo ny faran’ny herinandro teo, notarihin’ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa (METFP), Dr Andriamampandry Todisoa Manampy. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Fanjakana Marokanina ity fandaharanasa ity, izay tanterahina amin’ny alalan’ny Agence Marocaine de la Coopération Internationale (AMCI) sy ny Office de la Formation Professionnelle et de la Promotion du Travail (OFPPT). Tanjona amin’izao fiaraha-miasa izao ny hanitarana ny fahafahan’ny tanora Malagasy misitraka fiofanana arak’asa sy hampivelatra ny fahaiza-manaony. Ho fanamafisana izany, dia mikendry ny hanamora ny fidiran’izy ireo eo amin’ny tsenan’ny asa, hampitombo ny traikefa sy ny fahaiza-manao ananany, ary indrindra ny hahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy eto Madagasikara ny METFP. Anisan’ny ezaka atao amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena araka izany ny fanomezana sehatra ho an’ny tanora Malagasy hahazoana fiofanana sy traikefa any ivelany, izay antenaina fa hitondra tombontsoa ho azy ireo sy ny firenena amin’ny ankapobeny.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-nov-2026

Tandremo , fitaovana ihany

Card image cap