airtel

Fampianarana

23-nov-2026

VAHATRINIAINA,

mampianatra informatika

Sample post image

Tandremo , fitaovana ihany

23-nov-2026

ny IA fa tsy Andriamanitra"
Anisan’ny fivoarana tsy afaka ialana amin'izao andro izao ny « Intelligence artificelle » na ny IA. Ny IA dia fahazaina naka tahaky ny olombelona ka afaka mamorona toy ny lahatsoratra, sary , na horonantsary.Afaka mamaly fanontaniana mahakasika ny fiainana rehetra koa izy ary manoro vahaolana mihitsy momba izany, na resaka fianarana, na fahasalamana na fanampiana amin"ny asa Mora ny fampiasana azy, vonona hatrany ihany koa vao manana ny fitaovana ilaina amin'ny fampiasana azy (ordinateur, internet).Mipetraka anefa ny fanontaniana, hoy i Vahatriniaina, mampianatra informatika sady mpitory filazantsara , indrindra ho an’ny mpino hoe sao dia lasa sampy maoderina ny IA ? Satria ankoatr’izay hoe « vonona eo foana » izy dia afaka mamantatra ny ho avy ihany koa. Ireo toetra roa ireo dia an’Andriamanitra tanteraka; ka maro no mety mihevitra fa tsy mila an’Andriamanitra intsony ! Tsara tsindriana anefa, hoy hatrany ny fanazavana fa ny IA dia tsy manana « sentiment » ary ny fahalalana hananany dia miainga avy amin'ny angona omena azy ihany. Mila mitandrina arak’izany ny fampiasana azy fa tsy ho Andriamanitra na oviana na oviana ny IA ary mety hanao fahadisoana. Fitaovana ihany izay ampiasain'ny olombelona ny IA ary ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra dia tsy ho voasolon’ny IA velively, hoy i Vahatriniaina ary tsy tokony hadinoana fa ny olombelona no namorona ny IA fa tsy hoe zavatra efa nisy hatramin'izay izy io.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique