airtel

Fampianarana

15-juin-2026

CEPE 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Sample post image

Nitombo 2,11 % ny tahan'ireo

15-juin-2026

kilonga madinika hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE amin'ity taona 2026 ity. Tafakatra 583.463 mantsy ny isan'izy ireo manerana ny Nosy ka 7 taona no zandriny indrindra raha 22 taona no zokiny indrindra. Hiparitaka manerana ny foibem-panadinana miisa 2113 izy ireo. Miantso ny rehetra mba hifanome tanana sy hifanohana amin'ireo ankizy hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE ireo noho izany ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena Rajaonarison Sendranirina. Ho an'ny Ray aman-dReny manokana dia miantso azy ireny mba haneho fitiavana an-janany ny Ministra. Hanokana fotoana kely mba hifanohanana ihany koa ary hisorokana ireo karazana olana ara-tokantrano mety hisy hananan'ireo mpiadina fifantohana sy filaminan-tsaina. Tsiahivina moa fa efa tsy tokony hiarin-toribe intsony ireo mpiadina fa mamadibadika kahie sisa. Tokony hahay handanjalanja ny fitafiana sy ny sakafo hohanina ihany koa hisorohana ny olana ara-pahasalamana mety hiranga.
Pati
Légende : Efa saika vonona amin'ny fiatrehana ny fanadinana hatao rahampitso avokoa ireo kilonga madinika !
 

Dans la même rubrique

15-juin-2026

Ho fanampiana ireo ankizy

Card image cap
12-juin-2026

mpanala fanadinana

Card image cap