airtel

Fampianarana

29-janv-2024

ADY AMIN’NY FAHANTRANA

Namoaka tanora mpandraharaha 140 ny Globo Vision

Sample post image

Namoaka tanora mpandraharaha 140 isa ny Globo Vision Developpement a Madagascar,

29-janv-2024

tarihin’ny filoha tale jeneraliny Rasolofonoroniaina Julia Mickaelle. Ny Sabotsy 27 Janoary lasa teo no nanatanterahana izany tetsy Anosy Atsinanana izay mbola narahin’ny fizarana ny tsiambarantelon’ny fahatafitana amin’ny fiainana niarahana tamin’ny filohan’ny fandraisana fitarainana eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika Rakotomanana Richardson. Nambaran-dRafanomezantsoa Jean Nirina tale jeneraly lefitry ny Globo Vision nandritra izany fa noho ny fahantrana lalina mianjady amin’ny firenena no nanosika azy ireo hanofana tanora ho lasa mpandraharaha tahaka izao izay tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa ankapoben’ny Fitondram-panjakana. Tsy mahavelona intsony ny karama isam-bolana raha eto Madagasikara hoy izy vokatry ny fitontongan’ny sandambolantsika. Tsy maintsy tadiavina araka izany ny hevitra hanavotana ireo tanora tsy an’asa hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina mba tsy hifanomezana tsiny lava eto. Anisan’ny mampiavaka azy ireo manokana ny fitrandrahana ny harena voajanahary toy ny harena ankibon’ny tany, ny fanodinana ireo karazam-bokatra misy ary ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana. Noketrehin’izy ireo tamin’izany ihany koa ny fampianarana ireo tanora mba tsy hifidifidy asa, izay tena fototry ny fahantrana misy eto Madagasikara. Tsiahivina moa fa nampianarina ireo tanora miisa 140 ireo ihany koa ny fanovana toe-tsaina, ny fahaizany miserasera aman’olona…Hiresaka amin’ireo orinasa lehibe misy eto Antananarivo sy ny manodidina araka izany izy ireo mba hifanohana aminy amin’ny fandraisana ireo tanora mpandraharaha mendrika ireto.Tsy nisy sivana na fijerena diplaoma, tsy nanavahana fiaviana sy firazanana ihany koa ny nandraisana azy 140 mianadahy ireo, tanora 18 ka hatramin’ny 74 taona.
Pati
Legende : Ireo tanora mpandraharaha navoaka, notronin’ny filoha tale jeneraly lefitra eo anivon’ny Globo Vision Developpement a Madagascar !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Tafakatra 70% ny tahan’ny tsy fananan’asa mahazo ireo tanora latsaky ny 30 taona eto amintsika.

Card image cap