tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fampianarana

Ahiahina fanodinkodinam-bolan’ny mpampianatra Miantso fanadihadiana lalina ny SECES Antananarivo

Tsy misy tanteraka hatramin’izao ny fanatanterahana ny zo aman-kasin’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, hoy ny filohan’ny SECES sampana Antananarivo, Pr Sammy Grégoire Ravelonirina.

01-févr-2023

Sample post image

Maromaro ihany ny fampanantenana nomena, hoy izy, ary hita ihany koa ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra sasantsasany eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa saingy tsy mbola misy azo tsapain-tanana. Ho fitsinjovana manokana ny mpianatra, zana-bahoaka, zanaky ny olona sahirana, mba te ho tafita eny amin’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana, dia izay no nahatonga ny SECES handray fanapahan-kevitra satria raha hiandry ny fitondram-panjakana tsy hanao raha dia aleony mitsinjo ny mpiara-belona aminy ka hiverina hanao ny asany manomboka ny 1 febroary (TTF: anio). Mbola tsy voasonia, ohatra, ny DAE na “vacation” momba ny karaman’ireo mpampianatra an-tselika efa hatrany amin’ny taona 2018-2019 no ho nankaty. Mbola tsy voasonia koa ny ora fanampiny ho an’ny mpampianatra raikitra ny taona 2018-2019, tapany faharoa, manerana ny nosy. 4 taona be izao no mbola tsy noraisina ny tambim-pikarohana na “indemnité de recherche”. Na dia nantsoina manokana aza anefa ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra efa retirety dia nanaiky am-panetren-tena hampianatra ny zana-bahoaka fa tsy mba nanda. Ny tena nahagaga aza dia efa heno tamin’ny tatitry ny minisitera voakasika fa efa tonga tao anaty kitapom-bolan’ny minisitera izany vola tokony handoavana ny sarany ho an’ny retirety izany ho an’ny mpampianatra ao amin’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy ny siantsa mahaolona ny 14 desambra 2021. Efa hifarana ity ny volana janoary 2023 nefa isak’izay midina ao amin’ny tomponandraikitra momba izany dia fandrirarirana no azo. Tsy fantatra hoe nankaiza ny vola na inona no olana? Iza no ahiahiana nanodinkodim-bola tao amin’ny prezidansy? Miantso fanadihadiana lalina izahay. Miandry am-pitoniana izay andoavan’ny fitondram-panjakana izany rehetra izany sy ireo hafa tsy voatonona hatreto ny SECES. Ho avy ny fifidianana amin’ity taona ity raha ho tanterahan’ny fitondram-panjakana. Manana mpianatra be dia be hampianariny ny SECES, hoy hatrany ny SECES.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Mpianatry ny ESPIC sy ny ISDE Hanampy ny tanora hiala amin’ny rongony sy ny fivarotan-tena
01-juin-2023

Mirongatra sy mahazo vahana ankehitriny ny fandraisan’ireo tanora zazalahy sy zazavavy rongony raha toraka izany ihany koa ny resaka fivarotan-tena eto amintsika.

Voir plus