Notokanana tamim-pomba ofisialy omaly tetsy amin’ny rihina faha-efatra etsy amin’ny Alhambra Gallery Ankadimbahoaka ny foto-drafitrasa vaovao mifandraika amin’izany mba ho tombontsoan’ny vahoakan’Atsimondrano. Raha araka ny fanazavan-dRaharinosy Monique, filohan’ny filan-kevi-pitantanana eo anivon’ny Alliance française dia ezahina hahazo tombontsoa amin’izao fisokafan’ny Alliance française etsy Ankadimbahoaka izao ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba eny amin’iny faritra iny. Olana goavana sedrain’ny ankamaroan’izy ireny mantsy ny fahaizana mikirakira sy mampiasa ny teny frantsay. Efa mahatratra 1.600 moa amin’izao ireo mpikambana eo anivon’ny Alliance française. Tonga nanome voninahitra ny fitokanana Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, ministry ny serasera sy ny kolontsaina, Rtoa Vavitsara Gabriella, Ministry ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arak’asa….
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana omaly
Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE
Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana