Misy olon-dehibe sy ankizy izy ireo raha mbola misy ireo karohina hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Ho fiaraha-miory amin'ireo mpiray tanindrazana amintsika noho ny famoizana azy ireo ary dia ahemotra amin'ny andro manaraka ny fitokanana ny Ceg sy lisea any Androhibe Antsahadinta izay namboarin'ny Faritra Analamanga. Saika hotokanana anio talata 24 janoary mantsy izy io. Na izany aza dia azo sokafana sy hampiasaina avy hatrany ireo sekoly ireo, raha araka ny toromariky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Mbola hisy ihany moa raha araka ny fantatra ny fotoana hitokanana ireo sekoly ireo saingy amin’ny fotoana mahamety azy. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia mety amin’ity herinandro ity ihany dia hampiasa ireo foto-drafitrasa ireo ireo mpianatra eny amin’iny faritra iny.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay lisea ao Androhibe Antsahadinta
Afaka 13 andro eo ho eo sisa dia hiatrika ny fanadinana ara-panjakana CEPE ireo kilonga madinika miisa 515.081