hoy ny filohan’ny komity fankalazàna izany, Jaona Raoly. Nosokafana ny taona 2023 izany ary ao anatin’ny fanolorana ampahan’izay tsangambato izay ny komity, mpampianatra, ny ray aman-drenin’ny mpianatra, hoy izy. Ny zoma 30 jona izao dia atomboka amin’ny diabe na «Carnaval» izany. Misy mozika manelanelana avy eo, fanompoam-pivavahana, fandraisam-pitenenana, fanolorana ny tamboho tsangambato izay mitohy amin’ny fiaraha-mikorana samihafa any an-toerana. Hatreto dia ezaka niarahana tamin’ireo maintimolaly, zanaky ny faritra, malalatanana niarahana tamin’ny kaominina no nahafahana nanolotra io ampahany io. 800 metatra mahery moa ny halavan’io tamboho kasaina ho tanterahana io ka ny komity indray izany no manohy ny asa avy eo. Mbola mitohy ihany, na izany aza ny fanentanana amin’ny alalan’ny zanaka am-pielezana sy ny rehetra, indrindra, ireo rehetra nahatsiaro ho nahita soa tamin’izany kolejim-panjakàna izany na aiza na aiza misy azy. Miisa 449 ankehitriny no isan’ny mpianatra ao amin’ity CEG ity ary ahitàna mpampianatra miisa 24, hoy hatrany ny fanazavàn’i Jaona Raoly.
Nangonin’i J. Mirija